NY TONTOLO IAINANA

Amin’izao fotoana izao, ny tontolo iainana dia miharatsy hatrany noho ny hetraketraky ny olona:eo ny fampiasana fitaovana « gazeux » izay tena manimba tokoa ny tontolo iainana, eo ihany koa ny « produits chimiques » maro isankarazany.

Arak’izany àry dia mitranga ny olana toy ny:hafanana miopapana,mihena ny orana,mihabetsaka ny sandan’ny olona maty maneran-tany indrindra ny zaza, maloto ny rivotra iainana, fahasimban’ny « couches d’ozones » sns….

Noho izany dia tokony hitandrina ny tsirairay amin’ny fitaovana ampiasainy ao an-tokatranony ao mba tsy ampitombo ny efa simba .Tokony hiara-hientana ny mponina ao amin’ny firenena iray hiaro ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fambolena hazo, tsy manary fako eny rehetra eny fa amin’ny toerana iray ihany na ao anaty « poubelle » ihany.

Ho antsika eto Madagasikara manokana ohatra dia misy ny « CLUB VINTSY » izay manerana ny nosy, azontsika atao ny manampy azy ireny amin’ny alalan’ny fanohanana ny asa ataony satria izy ireo dia mazana manao hetsika maromaro manentana ny olona hiaro ny tontolo iainana toy ny fanaovana fanadiovana faobe eny an-dalambe mitarika ny saina ho tia fahadiovana,mamboly hazo hany koa izy ireo eny amin’ny toerana natokana ho amin’izany.

Tiana ihany koa ny manamarika etoana fa ny « CLUB VINTSY  » dia miara-miasa amin’ny olon-drehetra, tsy mifidy na iza na iza fa mandray anao am-pifaliana sy am-pitsikiana.Azo atao ny mantany ny andinindininy ao amin’ny WWF ao  Antsakaviro na manantona avy hatrany eny amin’ny Lycée misy eto Tanà.

Samy àry mahatsapa ny andraikiny dia manatanteraka izany antsakany sy andavany FA NY ADIDY TSY AN’OLON-DRATSY E! ny tontolo iainana ihany koa iarahan’ny rehetra fa tsy an’olo-tokana sa ahoana hoy ise??

EFAO NY ADIDY RY ZAREO A.

avril 26, 2008 at 3:21 Laisser un commentaire


Catégories

  • Blogroll

  • Flux